<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ry Jehovah Ray Tsitoha FFPM729</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jehovah, Ray Tsitoha !
 Mba avia hialoha
 Sy hiaro ny mpandeha ;
 Lavi-dalana haleha,
 Mba jereo ny olonao ;
 Sarak'olona, irery,
 Sady tsy mba manan-kery,
 // Ka jereo, ry Tomponay ! //
 Mba tazano ny mpandeha ;
 (in-3)
 Hianao no herinay.

[V2]
 Ao ny andro mamanala,
 Sakambino ao an'ala ;
 Raha mandeha mita rano,
 Mba hazòny sy tantano,
 Ka vonjeo ny olonao ;
 Be ny zavatra mihatra
 Izay manimba sy mandratra,
 // Ka vonjeo,
 ry Tomponay ! //
 Mba arovy ny mpandeha ;
 (in-3)
 Hianao no aronay.

[V3]
 Raha ory, mba tohano,
 Ka vimbino sy tantano
 Tsy ho reraka ny fony,
 Aza afoy, fa mba hazòny,
 Iantrao ny olonao ;
 Raha mahantra izy any,
 Ory sady mitomany,
 // Dia vangio,
 ry Tomponay ! //
 Mba tsarovy ny mpandeha
 (in-3)
 Hianao no tokinay.</lyrics>
<hymn_number>729</hymn_number>
</song>